Skip to product information
1 of 2

Haller Treasure Chest

Book/boky: Hanta Ramakavelo - Mahay Mitondra - Mitarika Mitantana

Book/boky: Hanta Ramakavelo - Mahay Mitondra - Mitarika Mitantana

Regular price CHF 80.00
Regular price CHF 23.00 Sale price CHF 80.00
Sale Sold out
Taxes included. Shipping calculated at checkout.

Une partie des recettes provenant de la vente des livres écrites par Hanta Ramakavelo seront utilisées pour des accompagnements personnalisés au bénéfice de parents d’enfants autistes malgaches à Madagascar. 

35 pages, 18.5cm x 31cm.

________________o0o________________

Hanta Ramakavelo - Mahay Mitondra - Mitarika Mitantana

Miorim-paka amin'ny fahendrena raisina avy amin'ny Teny Malagasy

Nampiofana vehivavy 500 mahery nanangana orinasa ny tenako tamin'ny taona 2000 ka hatramin'ny 2005 tany Frantsa. Avy amin'ny firenena samihafa maro izy ireo. Nipetraka ny fanontaniana : misy ve fomba fitarihana, fomba fitantanana, fomba fitondrana mifototra amin'ny maha malagasy ? Ny fomban'iza no tokony halaiko tahaka, ny an'ny frantsay, ny an'ny amerikana, ny an'ny alemana sa ny an'ny sinoa raha sanatria tsy manana ny ahy aho? Tsy zakan'ny saiko izany hoe « tsy misy fotony » «tsy misy hifaharana » amin'ny maha malagasy ahy eo amin'ny sehatry ny fahaizana mitondra. Mibaribary ny teny « fitondrantena » fa manana izany isika fa tsy nasongadina, adino, namaivanina. Ho talanjona, hitolagaga ianao, haka fy, hisitraka, ho voky, hatanjaka, hitombo hery, hitombo hasina rehefa hovelombelomin'ireto teny ireo. Nanatsara ny fijeriko ireo teny ireo, nanamafy ny fijoroko. Ankehitriny aho miorim- paka, manana rehareha fa tombony ho ahy ny maha malagasy ahy. Avo lenta, lalim- paka ny fahendrena tovozina avy amin'ny teniko. Afaka mahavita azy koa raha efaina izay lazaina, tsaraina dia hatsaraina hatrany hatrany. Mandala ny aina isika rehefa trandrahana ny firafitry ny tenintsika. Izany koa no aoka handrafitra ny toe- tsaintsika. Manana hanitra manentoento isika. Manankasintsara i Madagasikara.


________________o0o________________



View full details