Haller Treasure Chest
Livre: Hanta Ramakavelo - Savoir Diriger - Mener Gérer

Impossible de charger la disponibilité du service de retrait
Une partie des recettes provenant de la vente des livres écrites par Hanta Ramakavelo seront utilisées pour des accompagnements personnalisés au bénéfice de parents d’enfants autistes malgaches à Madagascar.
35 pages, 18.5cm x 31cm.
________________o0o________________
Hanta Ramakavelo - Mahay Mitondra - Mitarika Mitantana
Miorim-paka amin'ny fahendrena raisina avy amin'ny Teny Malagasy
Nampiofana vehivavy 500 mahery nanangana orinasa ny tenako tamin'ny taona 2000 ka hatramin'ny 2005 tany Frantsa. Avy amin'ny firenena samihafa maro izy ireo. Nipetraka ny fanontaniana : misy ve fomba fitarihana, fomba fitantanana, fomba fitondrana mifototra amin'ny maha malagasy ? Ny fomban'iza no tokony halaiko tahaka, ny an'ny frantsay, ny an'ny amerikana, ny an'ny alemana sa ny an'ny sinoa raha sanatria tsy manana ny ahy aho? Tsy zakan'ny saiko izany hoe « tsy misy fotony » «tsy misy hifaharana » amin'ny maha malagasy ahy eo amin'ny sehatry ny fahaizana mitondra. Mibaribary ny teny « fitondrantena » fa manana izany isika fa tsy nasongadina, adino, namaivanina. Ho talanjona, hitolagaga ianao, haka fy, hisitraka, ho voky, hatanjaka, hitombo hery, hitombo hasina rehefa hovelombelomin'ireto teny ireo. Nanatsara ny fijeriko ireo teny ireo, nanamafy ny fijoroko. Ankehitriny aho miorim- paka, manana rehareha fa tombony ho ahy ny maha malagasy ahy. Avo lenta, lalim- paka ny fahendrena tovozina avy amin'ny teniko. Afaka mahavita azy koa raha efaina izay lazaina, tsaraina dia hatsaraina hatrany hatrany. Mandala ny aina isika rehefa trandrahana ny firafitry ny tenintsika. Izany koa no aoka handrafitra ny toe- tsaintsika. Manana hanitra manentoento isika. Manankasintsara i Madagasikara.
________________o0o________________
Partager

Mankasitraka Hanta amin'ireo teny malagasy lalina velabelarinao sady zarainao.
Teny mamelombelona, mitondra aina ka lalaina.
Teny feno fanantenana manome toky sy mampitony.
Teny mazava, manome jiro ka mampijoro.
Faly nahazo ity boky kanto ity izay manome soa maro ka ho zaraina amin'ny be sy ny maro.
Teny feno fahendrena manandratra ny SOATOAVINA malagasy. Ny Teny Malagasy dia Iainana .
Kanto ny fanehon-kevitra voarakitra ao anatin’ity boky ity. Misaotra Hanta Ramakavelo 🙏🏽